4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandalo ihany - Bodo

Mandalo ihany rAha ny fiainana an-tany

Toa feno sento sy soa mora lany

Fa hany mba fiainana maharitra

Dia tsy amin’izao tontolontsika izao

Ny mafy hatrany no zakaintsika ety

An-tany feno fahoriana manjo

Fa tsy mba misy zava-tsoa maharitra

Ary tena mahafapo tokoa

Raha mba misy tsara, misy ratsy koa

Ny tsiky sy alahelo mifandimby

Ny  hehy toa misolo hatezerana

Tokelaka dimbiasan’ny tomany



Ny olana mianjady amin’ny fiainana

Dia voavaha ihany anefa indraindray

Misolo fahasahiranana vaovao

Izay olon-kitokiana toa mandao

Fa hany mba fiainana maharitra

Dia ny miaraka @ jesosy

Fa izy ihany no mba afaka hanome

Ny fitsaharam-piadanam-be



Mandalo ihany raha ny eto an-tany

Izay feno sento sy soa mora lany

Na dada na i neny, zoky zandry koa

Dia mbola hifandao indray andro any

Fa hany mba fiainana maharitra

Tsy ahitana sento sy tomany

Dia ilay fiainan-tsambatra omen’ny Ray

Ilay fiainana mandrakizay

Partager mandalo ihany

Commenter mandalo ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bodo

Suite