4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maintsy ho zakako - UNIK

Oh yeah

’Zany hatsarany

Tiako avy hatrany,

Babo ny fo

Babo tokoa

    Mipetraha ialahy

    F’izy efa an’ahy

    Sao maty eo ialahy



Ref:

Tsy maintsy ho zakako izy e! (aza kitian’ialahy)

Tsy maitsy ho tratrako izy e! (aza kitian’ialahy oa)

Tsy maintsy ho lasako izy e! (aza kitian’ialaha oa)



Ialahy indray dia tsy mahazaka an’io e!(aza kitian’ialaha)

Dieny izao dia efa hadinoy leity e! (aza kitian’ialaha oa)

Mipetraha ialahy dia mionona (aza kitian’ialahy ho’aaho)

oooh ah ah!oooh ah ah!

oooh ah ah!oooh ah ah!



Efa ela no naniriko an’azy e!

Ka tsy ialahy indray no handeha hikôty an’azy e!

Izaho no tiany fa tsy ialahy

Zao ’lay be vola fa tsy ialahy

Mipetraha ery fa sao maratrako eo ialahy

    Aza be vava sy be taim-bava fa mba henoy ho’aho

    Miseho be vola nefa sola ts’isy ilavany an’ialahy

    Ialahy be sôsy fa ’zaho bôgôsy

    Tsisy idiran’ny any am-paosy

    Mitsangana raha lehilahy fa tsisy matahotra an’ialahy

An’ahy io fa tsy an’ialahy ka inona no ivandravandrana

Kofiboay toa mibaiaka nandranandra sady sanana oh oh

Kofiboay toa mitapitapy ve ity sa adadaladala

Rehefa tsy zakan’ny tsena andehana mipà ho’aho andehana miala oh oh oh oh



Ref



Fa voa mafy eo ialahy raha hifaninana amiko (’zaho tsy hifaninana amin’ialahy)

Izaho tsy misangy fa tonga dia amboariko  amboariko,amboariko

    Aza be vava ry be taim-bava fa manenina eo ialahy

    Aleo mangina rehefa tsy tiana fa mandehana ialahy mipà

    Ialahy matavy fa ’zaho mahia

    Tsisy hidiran’izany aty

    Ny hakelin’ny fil aza jerena fa ny courant hoentiny

Sakaletaka rain’ny tetaka mila fetaka

mba mipetraka fa toa mandreraka sao voafetaka

Sakaletaka rain’ny tetaka mila fetaka

mba mipetraka fa toa mandreraka sao voafetaka



An an an an an....



Ref



  Oooh Oooh.

Partager tsy maintsy ho zakako

Commenter tsy maintsy ho zakako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe UNIK