4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ity hirako ity - ALOMA

Ity hirako ity dia atolotro anao

Hahatsiarovanao ny anarako

Raha ho lasa any ianao

Ka ho lavitra ahy

Veloma mandrapihaona

Aza hadino lalandava

Fa mpinamana isika

Tsy mba nifankafoy tety

Mpizara alahelo, mpizara hafaliana

Izaho sy ianao hatramin’izao.



Very namana aho nilaozanao

Ka iza indray izao no antenaiko

Hilazako ny manahirana ahy

Hisolo ny toeranao



Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana

No hampisy ny fanadinoana

Fa raha sento tokana monja

Ary tsiahy iray minitra

Dia ampy hampiray antsika

Koa raha manina ahy ianao

Na te hanoratra

Ny aty tsy miova adiresy

Tsy miova fanahy, tsy miova fitia

Fa miandry, miandry anao

Partager ity hirako ity

Commenter ity hirako ity

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ALOMA