4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana kilalao - Unik

Fitiavana sangisangy
No omenao isan’andro
Fitiavana mampijaly
No iainako isan’andro

F’angaha rehefa hoe tena tia anao
Dia holalaovinao
F’angaha rehefa hoe tena tia anao
Dia hampijalinao

Nefa izao dia mbola tia anao
Tena tia anao, tiako ianao
Na dia fitiavana kilalao aza
No nomenao

Ny fitiavan-tena
Nomenao isan’andro
Fitiavana ts'isy fahendrena
No iainako isan’andro

Efa fantatrao ny ao am-poko ao
Dia lalaovinao
Efa fantatrao hoe mijaly aho
Nefa tsy raharahinao

Nefa izao dia mbola tia anao
Tena tia anao, tiako ianao
Na dia fitiavana kilalao aza
No nomenao

Partager fitiavana kilalao

Commenter fitiavana kilalao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Unik