4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifona - Unik

Efa ela, no niarahantsika roa,
Ela, ela tokoa
Mbola tadidiko, ilay tany am-boaloha
N'inona n'inona nitranga tsy mifankafoy

Raha nifoha maraina ka tsy mahita anao,
Dia alahelo, taraina sy talaho
Ianao no tiako sy faniriako
Ka aza ilaozana aho...

Mifona aminao, tena mifona aminao,
Fa tiako ianao ka aza ampijaliana aho
Efa impiry izay no nandatsa-dranomaso
Noho ilay fitia, mampijaly sy mankahia
Nanariako ny fianarako, nandaniako ny fananako,
Nanimbako ny ho aviko ...
Dada sy neny dia nariako, zoky sy zandry dia nafoiko
Satria ianao ilay tiako ...

Nefa taty aoriana,
Lasa ianao izaho dia variana
Tsy hitako izay tsy nomeko anao
Koa maninona ary izaho no nilaozanao

Raha hifoha maraina ka tsy ho eo intsony ianao,
Dia haizina, tomany sy talaho
Mijaly izaho raha tsy eo ianao,
Ka miverena ianao...

Mifona aminao.....

Partager mifona

Commenter mifona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Unik