4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry - Parson jacques

MIANDRY



Ry masoandro

Mba mijery ve ianao

Sa tsy anjaran’izay resy

No mitazana anao



Ry masoandro

Mbola misy ve ianao

Sa tsy anjaran’izay ory

No maka hafanana aminao

Zay mba kely azony andrandraina



Miandry izay ho anjarany

Izay taratrao no hery sy fananany

Izy matoky ka tsy kivy

Manam-pinoana

Fa handray ny hasambarana

Miandry anao



Ry masoandro

Izaho mbola manantena

Lay tandrify zay omenao

Mba tomory ka jereo



Ry masoandro

Reo zay kely sy onena

Miandry lava ny hazavana

Ianao no famonjena

Isanandro mbola mino foana

Partager miandry

Commenter miandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Parson jacques