4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatanorana - Parson jacques

Mahagaga tokoa ity fandalovana ity

Na dia izao aza toa hita fa mahafinaritra ery

Zay no lalàna ka tsy hamakiana loha

Hararaoty fotsiny any azahoan-tsoa



Mahagaga tokoa ity fandalovana ity

Na dia izao aza toa hita fa mahafinaritra ery

Zay no lalàna ka tsy hamakiana loha

Hararaoty fotsiny any azahoan-tsoa



REF:

Hatanorana mamintsika tokoa

No hiarahantsika izao amin’ny fo

Indrindra moa raha misy ny fitiavana

Dia ho fahatsiarovana iray tsy ho maivana



Misy indraindray ny olana zay miseho

Fa dia manga foana ny lanitra avy eo

Sarobidy anie zao taonantsika izao

Sao hitarika nenina ho anao

Ka ho nenina any aoriana ho anao



Taloha anie, ny fitondrana azy

Fa matetika dia tampoka ny sazy

Hevero ihany ny maha olombelona

Fa vao maika tsy maha ela velona








Partager hatanorana

Commenter hatanorana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Parson jacques