4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia adaladala - Parson jacques

Fitia adaladala

Maro mpakahala

Ny fitiavako anao

Nefa izay no heveriko

Sy mba tratry ny heriko

Atolotra anao



Sadasada angamba

Na minia ho jamba

Ny fitazana azy

Saingy lalim-paka

Efa tompon-daka

Fa tsy vazivazy



Fitia adaladala

Maro mpakahala

Ny fitiavako anao

Nefa izay no heveriko

Sy mba tratry ny heriko

Atolotra anao



Lala-nofinidy

Ka na dia mangidy

Laitra sy zakaina

Ny enjika mihatra

Efa mahazatra

Ka tsy iferotan’aina



Fitia adaladala

Maro mpakahala

Ny fitiavako anao

Nefa izay no heveriko

Sy mba tratry ny heriko

Atolotra anao

Partager fitia adaladala

Commenter fitia adaladala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Parson jacques