4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana - Parson jacques

FITIAVANA



Raha hita ambony tany ety

Tsy voatery ahafam-po

Misy anefa raha tsara

Sady mora tsy andaniana vola



Tsy ataoko ankamatatra

Izay tena izy no ambarako

Tsy ino izany ro zavavy

Fa araho tsara raha volaniko e



Toetry tsotra tsara ananana

Izay no mahatsara fihavanana

Mba ho lavitry ny fanavakavahana

Tsisy ambonin’ny fitiavana



Tena tsotra no ambarako anao

Fitiavana fahatsorana

Mandefitra e rô tsy mahafaty e

Andramo arô fa mahatsara anao

Partager fitiavana

Commenter fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Parson jacques