4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy haiko ny tsy hitia - Njakatiana

TSY HAIKO NY TSY HITIA



Izay tia atao hoe adala

Fa ny olon-kendry miala

Kanefa dia tsy ho haiko

Ny tsy hitia anao

Hita izao fa hoe fahotana

Sy fandikana lalàna

Kanefa dia tsy ho haiko

Ny tsy hitia anao



Tahaka ny rano an’ony

Izay tsy maintsy hivarina

Any an-dranomasimbe

Toy izay koa tsy hay intsony

Ny hanohitra izay tendry

Tsy maintsy aleha

Koa raiso ny tanako

F’izay ombanao dia ombako

Satria tsy mety haiko

Ny tsy hitia anao



Tahaka ny rano an’ony

‘Zay tsy maintsy hivarina

Any an-dranomasimbe

Toy izany koa tsy hay intsony

Ny hanohitra izay tendry

Tsy maintsy aleha



Tahaka ny rano an’ony

‘Zay tsy maintsy hivarina

Any an-dranomasimbe

Toy izay koa tsy hay intsony

Ny hanohitra izay tendry

Tsy maintsy aleha

Koa raiso ny tanako

F’izay ombanao dia ombako

Satria tsy mety haiko

Ny tsy hitia anao






Partager tsy haiko ny tsy hitia

Commenter tsy haiko ny tsy hitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite