4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toy ny vao omaly - Njakatiana

Endrey, mampientana ny fo

Ny diantsika roa ...

Naharitra tokoa !

Endrey, ao antsaiko zao

Fa io lay endrikao

Mbola mamiko hatrizao



Rehefa fetin'ny mpifankatia

Ianao mamiratra

Toa fararanon'ny fitia

Ka dia hisarika ahy hampatsiahy

Ilay voaloham-pitia indray

'lay fontsika vao nifandray

Tena mamy izay ...



Fa toy ny vao omaly

Ny fitiavako anao...

Tsy lefy hatramin'izao

Vao mainka mihavao !

Fa toy ny vao omaly

Ny fitiavako anao,

N'inona izay niseho

Tsy natao hankaleo

  Enga anie ho samy tokam-po

  Ka hanjakan'ny soa

  'Lay fiainantsika roa



  Endrey, ao antsaiko izao,

  Fa io 'lay endrikao

  Mbola mamiko hatrizao

Rehefa fetin'ny mpifankatia

Ianao mamiratra

Toa fararanon'ny fitia

Ka dia misarika hampahatsiahy

'Lay voaloham-pitia indray

'Lay fontsika vao nifandray

Tena mamy izay



Fa toy ny vao omaly ….



Njakatiana & Melki

Partager toy ny vao omaly

Commenter toy ny vao omaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite