4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saro-piaro - Njakatiana

Izay hitako hahasambatra

Dia nomeko anao

Nefa izaho indray ity no toa lany zara

Fa tsy hitanao



Mitsiky ianao, miangoty koa

Fa amin-kafa indray

Ka toa zarainao ho an’olon-droa

Ilay fitia iray



Fa n’inona izay ataonao dia mahasaro-piaro ahy

F’izay mety ho mamy aminao aoka re mba ho ahy

Tsy tiako raha misy olon-kafa te-hisangy aminao

Aza omena tsiny aho satria tiako loatra ianao



Fa ianao raha mivaona

Dia mankarary fo

Zaho ange te-hatoky foana

Fa saro-piaro koa

Fa saro-piaro aho



NJAKATIANA 1997

Partager saro-piaro

Commenter saro-piaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite