4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray ô - Njakatiana

Ray ô atongilano ny sofinao

Ka mihainoa ahy,

Miangavy mitalaho,

Ô, eny mitaraina aminao.



Omeo ahy, omeo ahy

Ny fahendrena sy ny fahatsoram-po

Aza avelanao ho very izay

Kely mba anjarako.



Dia arovinao ny diako

Izay hoavy aminao

Fa eo anilanao no faniriako

Hatrizay ka hatrizao,

Ombao ny fitahianao

Mba tsy ho lavo Tompo ô,

Fa vonona hanompo anao

N’inona n’inona atao...



Dia mbola mangataka aminao,

Hazavao ny fiainako

Fa rakotra aizina izy zao

Ianao no sisa itarainako, ô ô ô



Aza avelanao ho irery,

Aza avelanao hania,

Vonjeo ry Ray, Ray mahery

Vonjeo ry Tompo tia...



Dia arovinao ny diako

Izay hoavy aminao...

Fa eo anilanao no faniriako

Hatrizay, ka hatrizao

Ombao ny fitahianao

Mba tsy ho lavo, Tompo ô

Fa vonona hanompo anao

N’inona n’inona atao...



Njakatiana

Partager ray ô

Commenter ray ô

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite