4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Meteza ianao - Njakatiana

   Meteza ianao hahatsiaro

   Na ny andro lasa efa maro...

Tsaroanao ve ilay fiarahantsika,

Tsaroanao ve ilay hasambarantsika...

Meteza ianao hahatsiaro

Na ny andro lasa efa maro.



Tadidinao ve ireny hadalana ireny,

Tena tianao ve ny nataoko anao tamin’ireny ?

Na izaho na ianao, dia nety izay natao.



   Indray andro tokoa moa

   No sendra nahitako dolan’olondroa

   Hay rafiko sy ianao

   Ny foko tamin’izay voaratranao

   Diso ianao, nahatonga ilay fo hifandao.



Embona foana ny ahy raha toa ka mba hikalo

Dia ianao foana, ianao tsy ho fahavalo ;

Angamba izay no lahatra

F’izaho no tsy mbola zatra.



   Indray andro tokoa moa,

   No sendra nahitako dolan’olondroa

   Hay ianao sy ilay rafiko

   Ny foko tamin’izay voaratranao

   Diso ianao, nahatonga ilay fo hifandao.

(Izaho koa diso e !)

   Indray andro tokoa moa,

   No sendra nahitanao dolan’olondroa

   Hay izaho sy ilay rafinao

   Ny fonao tamin’izay voaratra koa

   Diso aho, nahatonga ilay fo hifandao.

Partager meteza ianao

Commenter meteza ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite