4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Meteza hahatsiaro - Njakatiana

Meteza ianao hahatsiaro

Na ny andro lasa efa maro



Tsaroanao ve ilay fiarahantsika

Tsaroanao ve ilay hasambarantsika

Meteza ianao hahatsiaro

Na ny andro lasa efa maro

Tadidinao ve ireny hadalana ireny

Tena tianao ve ny nataoko anao tamin’ireny

Na izaho na ianao

Dia nety izay natao

Indray andro tokoa moa

No sendra nahitako dolan’olon-droa

Hay rafiko sy ianao

Ny foko tamin’izay voaratranao

Diso ianao nahatonga ilay

Fo hifandao

Embona foana ny ahy raha toa ka mba hikalo

Dia ianao foana, ianao tsy ho fahavalo

Angamba izay no lahatra

F’izaho no tsy mbola zatra

Indray andro tokoa moa

No sendra nahitako dolan’olon-droa

Hay zaho sy ilay rafinao

Ny fonao tamin’izay voaratra koa

Diso aho nahatonga ilay

Fo hifandao

Partager meteza hahatsiaro

Commenter meteza hahatsiaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite