4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ianao - Njakatiana

(Misaotra)



Tiako sady sarobidy ho ahy

Ny fitiavana nasehonao

Foana sy nisinda ny ahiahy

Fa efa eo ianao

Toky sy hery ho ahy (tokoa)



Tsy mba nanampiovana ianao

Matotra tamin’izay natao

Namana azo antoka tokoa ianao

Fifaliako koa

Sakaiza tsy mba mandao

Ieieee ...



Faly aho

Fa hatramin’izao ianao dia mbola ianao

Tretrika aho

Notanterahinao izay tiako atao

Sambatra aho

Tsy mba nisy izay fanitsahanao ahy

Misaotra anao ... ô!



Ny irariana koa

Dia mba ho izany foana moa



Tiako sady sarobidy ho ahy ...



Faly aho ...


Partager mbola ianao

Commenter mbola ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite