4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa ary aho - Njakatiana



Lasa ary aho f’ianao avelako eo

Ny ato koa toa efa mankaleo

Izay angamba no tadiavinao

Fa teritery lava, k’aleo mitady rivo-baovao



Efa ela loatra angamba izay no niaretako

Kitakita siaka mahamay no hany niainako

Nefa toa mba metimety ery ny an’ny hafa

‘zaho sy ianao raha mbola hanoy ny dia, toa hisy haratra



Na dia mbola tsisy fantatro ny any ambadika any

Masaka ao an-doha aloha izao aleo miala ihany

Ts’isy hanorisory anao intsony ny ato an-trano

‘zaho kosa raha azonao atao, mba tsofy rano

Partager lasa ary aho

Commenter lasa ary aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite