4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiara-dia - Njakatiana

(Duo avec Nanie)



Aza asiana ahiahy

Ny fihestik’ireo tsy tia

Te handrava ilay fitia, izay kasaina ho doria

Na izaho sy ianao, dia sanatria ny hifandao

Tsy hisy intsony ahasakana, fa hitohy hatrany am-pasana

Hiara-dia, hiray saina, hiray fo

Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa

Hiara-dia, hifanampy, hifanasoa, hifandefitra tokoa

Tsy hifanao an-dolom-po....



Ary izaho sy ianao

Dia toy ny olona iray

Fo iray vaovao hitempo mandrakizay

Hiara-dia, hiray saina, hiray fo

Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa

Hiara-dia mandrakizay

Hiara-dia mandrakizay.....



Atolotro ho an’ilay olona tena tiako izay "Piso"...Je t’aime

Enga anie ka hiara-dia mandrakizay isika....

Partager hiara-dia

Commenter hiara-dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite