4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiangavy farany - Njakatiana

Mandà be ny saiko
Tsy tony ny foko
Tsy tsapako akory
ity maso tsy mahita tory
Fa ianao foana no sary mameno, mibahana ao an-doha
Aza ilaozana izany ho'aho 'zaho fa tena voa,
voa tokoa

Dia ataoko ahoana
ny halahelo foana ?
Ny saiko tsy mino
hoe ny tenako hahavita hanadino.
Mora aminao tokoa ny milaza hoe "'ndao hisaraka"
Aza ilaozana izany ho'aho izaho fa
tia anao fatratra.

-FIVERENANA-

Ireo efa vita
dia odianao tsy hita
Ny aok'izay foana no asesikao fa dia nahoana ?
Tsy fantatrao fa io dia tantara tsy ho faty rahatr'izay !
Aza ilaozana izany ho'aho izaho fa
ratra mahamay

-FIVERENANA-

Partager hiangavy farany

Commenter hiangavy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite