4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza manitsaka - Njakatiana

Raha momba ilay resakao

Dia tsy hoe faly ny hanohitra ihany

Fa dia vahotra anie aho amin’izany

Raha ny ao an-tsaina indray

Tsy hamadika ilay notiavinao aho

An an an

Fa izy anie

Fa izy anie no efa namako hatrizay



Nahoana loatra ary ianao

No mitady hanitsaka azy

Aoka re

Tsy mety izany akia

Hajao ilay nomenao fitia

Hamitaka azy ianao dia izay izaho ve

Ka hoy aho hoe " an an an"



Ianao aloha dia tsara tokoa

Fa na izany aho anefa tsy sahy

Fihavananay no taloha mampanahy

Ka ny faniriako anie

Tsy handratra mihitsy ny fony aho

An an an

Fa izy anie

Fa izy anie no efa akamako ela be



Nahoana loatra ary ianao

No mitady hanitsaka azy

Aoka re

Tsy mety izany akia

Hajao ilay nomenao fitia

Hamitaka azy ianao dia izay izaho ve

Ka hoy aho hoe " an an an"

Hiantsampy ihany ianao dia izay izaho ve

Ka hoy aho hoe "an an an"

Partager aza manitsaka

Commenter aza manitsaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite