4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao aho hitia - Njakatiana

Raha vao nahita anao
Toa tsy nisy intsony teo 'zao tontolo izao
Babo avy hatrany
Tsy te-hahalala izay miandry
F'aleo aho, aleo aloha aho hitia

Ianao toa niahiahy
Aza asesikao izay momba ahy
Fa fantaro kely aloha 'ty fo adala tokoa
K'aleo aho, aleo aloha aho hitia ... anao.

Izaho anie tsy taitra fotsiny amin'izao
Fa tena tia anao aho matoa sahy mitalaho
Aza dia matahotra loatra izay hoavy
Fa ny ahy, hajaina daholo
Alamina avokoa, fa izao aloha:

Avelao aho hitia anao
Dia mba ho tony ny ao anatiko ao
N'inona n'inona 'zay mbola eritreritrao
Avelao aho aloha hitia anao!


Ianao toa niahiahy
Aza asesikao izay momba ahy ...

Izaho anie tsy taitra fotsiny amin'izao
Fa tena tia anao aho matoa sahy mitalaho
Aza manahy, hajaina daholo
Alamina avokoa, fa izao aloha:

Avelao aho hitia anao ...

Partager avelao aho hitia

Commenter avelao aho hitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite