4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny sarinao - MR Razafy

Ny endrikao ry tiana

Tsy manana sahala

Tsy afaka ato an-tsaiko

Fa any notsongaiko

Nofisifisin-dava

Toa mifanatri-tava

Tadidona iray

Ny sarinao izany





Ref: Anisan’ny fananana

Nataoko am-peltanana

Raha sendra sorena

`Lay sary jerena

Topazana tazanina

Raha sendra tena manina

Ny sarinao izany

No mahatonga izany





Ny lahatra mavay

Ny elan’elan-tany

Toa mampitombo ny hery

Ity olo-manirery

Hanangana tadidy

Ireo dina sarobidy

Ny sarinao ihany

No mahatonga izany

Partager ny sarinao

Commenter ny sarinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MR Razafy