4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ataoko ahoana - MR Razafy

Ataoko ahoana ny filaza

Ny ato am-poko manirery

Na dia lavitra aza ianao

Eny n’aia n’aiza izany



Tafasaraka isika

Mahatsiaro tena very

Ny eritreritro mipetraka

Eo anilanao hatrany



N’aiza n’aiza misy ahy

R’ilay nomeko ny fitiavako

Tsy mba tanako ny sento

Ny vetsovetsoko tsy hangina



Voafefin’ny elanelan-tany

Ka takona ny tavako

Ny embonembona tsy maty

No ianao ry olon-tiana



Tsy hohadinoiko ianao

Raha mbola tany koa ny tany

Ny masoandro vao maraina

Afaka hanambara izany



Fa ranomason’olon-tia

No mandena ny takolaka

Raha mamisavisa anao

Amin’ny andro tolatolaka



Tsy hivoana sanatria

Na voakosoka ato an-tsaiko

Ireo teny mamy izay natao

No hany sisa mba hapetraka



Ireo voady nokasaiko

Ny miova tsy mba haiko

Jambanao izato tenako

Toa iharan’ny hetraketraka





Ataoko ahoana ny filaza

Ny ato am-poko manirery

Na dia lavitra aza ianao

Eny n’aia n’aiza izany



Eny n’aiza n’aiza izany .....


Partager ataoko ahoana

Commenter ataoko ahoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MR Razafy