4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rehefa injay - Fanja Andriamanantena

Rehefa injay ny hasambarana

Indro toa manarangarana

Mitady hilasy ato an-tratrako

Dia manjary zava-batrako

Ny miantso anao hiaraka amiko

Mba hogoka izay mba mamiko



Rehefa maloka ny androko

mitampify ilay masoandroko

ka mila tanana aho hanarina

Fa ny fiainako mivarina

Ny miandry anao no manavanana

Ny manahirana ikambanana



Nefa eo indrindra indrindra

No tsy tafaraka mamindra

Ny fidoboky ny fo

Fa mandriga ka tsy toha



Rehefa injay ilay saiko adala

Mikaroka ny hahalala

Izay tahiry ka koboninao

Dia miangavy sy mitalao

Ka miandry anao hizara izay manjo

Sy ny rakitra fonosinao am-po

Partager rehefa injay

Commenter rehefa injay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena