4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpilalao fitia - Fanja Andriamanantena

Dia nakisakisakao ny foko

Hitanilanila, hihafihafy

E an-tsisin’ny fonao

Mpilalao fitia

Tsy vonona hiara-dia

Zatra loatra mankafy

Lalao fitia.



Na dia tsy ho zakako aza izany

Dia nekeko ny ho kilalao

Hifantohan’ny sainao

Mpilalao fitia

Dia tafara-dia

Dia nandramantsika

Ny lalao fitia



     Kanjo ela ny ela

     Ritra teo fa tsy nisy tavela

     Ilay fitia nokasaiko ho anao

     Hataonao kilalao

       Ianao, ilay mpialalo fitia

       Indray no tsy very dia

       Nanjary tia dia tia



Dia nakisakisako ny fonao

Hitanilanila, hihafihafy

Eo an-tsisin’ny foko

Mpilalao fitia

Tsy vonona hiara-dia

Zatra loatra mankafy

Lalao fitia.


Partager mpilalao fitia

Commenter mpilalao fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena