4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria ve ? - Black Jack's

Satria ve izahay mifoha maraina

Lazain’ialahy hoe mafy ady ?

Tsy mba manan-kantenaina

Ka dia voatery izahay mitady



Satria ve izahay tsotsotra akanjo

Dia lazain’ialahy ho ambany

Ny asanay andavanandro

No hany mahatonga izany



Ny miaina lesy iaraha-malala

Hazakazaka tokoa

Ao ambany farafara

Izay mitraka vaky loha

Ny teny lesy toy ny atody

Ka raha foy lasa manan’elatra

Ny vava avoaka sao manody

Ialahy indray no hitsanga-menatra



Satria ve izahay mba mody resy

Lazain’ialahy hoe maty lolo

Nefa mba tandremo lesy

Ialahy marary izahay voatondro



Fa raha tafita ialahy androany

Ka manao tsindry hazo lena

Boribory anie ny tany

Ny ho avy lesy mba jerena



Ny miaina lesy…..



Satria ve izahay fatra-panaja

Dia voaompa sy voalatsa

Vidiana lafo anie ny vava

Raha mivadika eo ny rasa



Fa ny eboebo ety an-tany

Mampivadik’atidoha

Fa rehefa any am-pasana any

Raha maty anie ka samy lo



Ny miaina lesy…

Partager satria ve ?

Commenter satria ve ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Black Jack's