4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiakam-pijaliana - Black Jack's

Hiakam-pijalian’ny Afrikana iray hiharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra…



Nolazaina aho fa hoe ratsy saina

Nenjehina sy nogadraina

Mainty aho dia hoe : olon-dia

Ka tsy mendrika ho velona ety



Ny fianakaviako rehetra

Nampiharana ny herisetra

Ny raiko dia nalatsak’aina

Ny reniko vetavetaina



Ny lanitra tsy andrin’ny hafa

Andrasako mandra-pitraka

Mainty aho f’izaho tsy hitomany

Satria reharehako izany

Ny taniko dia nobaboina

Ny namako dia novonoina

Ny ezaka mba vitanay

Nodorana ho kila sy may



Maharary aho fa tsy mitaraina

Miandry aho fa tsisy antenaina

Ny hasin’ity fireneko

Io no sisa mba andry sy hareko





Ny lanitra tsy andrin’ny hafa

Andrasako mandra-pitraka

Mainty aho f’izaho tsy hitomany

Satria reharehako izany

O Raha ilaina ho sorona ny aiko

Foiko tsy zarazaraiko

Ho mendrika sy hahatafita

Hanafaka anao ry Afrika



Afrika entanin-tsento ! Afrikana ireo razambeko.

Partager hiakam-pijaliana

Commenter hiakam-pijaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Black Jack's