4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anao - Black Jack's

Ho anao ve hadalana sa ditra ?

Vitan-dratsy sa koa vatsy efa ritra

Ireny zaza ireny toa mirenireny



Sao dia kosa hoy aho tsy fidiny intsony

Ny fahantrany ka hitafiany gony

Mitady sakafo amin’ny fanariam-pako



O anaka aoka ianao tsy hitsara amin’izay tsy ho tsaraina

Eto ianao dia miadana tsara ka afaka misaina

Ny toeranao tsy toerany akory, andeha re matory

Rahampitso ianao mbola hifoha maraina hamonjy sekoly

Tsy vitany ary tsisy hadalàna, manaova ianao mafàna

Ny andro maizim-be sahady, ny hatsiaka efa ho avy

Moa ianao koa sao manavy,

Any aoriana any e, ho hainao izany



Lany henatra ve sa tia tena

Ity vehivavy mpivaro-tena

Handeha hanakalo tena amin’ny mpandalo



Tsy fidiny azy angamba fa tsy hakamoana

Fa ilay zanany ao koa mba maty noana

Ilay fitiavan-dreny no mahatonga ireny

Partager ho anao

Commenter ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Black Jack's