4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asa ianao .... - Black Jack's

1- Asa ianao raha  ohatr’ahy ..

fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko ho zakaina irery

asa ianao raha ohatr’ahy ...

fa ny hasambara-keliko eto an-tany dia tsy tokony ho toloko velively

tsy ilaina akory angamba hoy aho ny mitantara lava izay manjo



mety ho maizina ny tany fa atrakaho ny loha

mety ho ratsy ny androany fa rahampitso no soa

satria efa voasoratra  fa samy mba mizaka ny hazo fijaliany

samy manana kapoaka kely nisotroany ny rano tsy tiany





2-Asa ianao raha homba ahy

fa maro  ireo mizàka fahoriana  mila avo roa heny ny misy azy

asa ianao  raha homba ahy

kanefa tsy misoka-bava kely dia akory  tsy  midika hoe tsy mahavita  lava

ezahiny afeniny ny tsikiny eny an-tavany ny hakiviana

vao maika volamena ho azy ny mangina

vao maika harena ho azy koa  ny fihafiana

na dia fadiranovana aza izy tsy hitakiky aminao izay anjara

fa raha mbola misy fofon’aina hijoroany

dia aleony mijaly!





3-asa ianao raha hino ahy

fa aleo mizàka tena dieny  izao sao dia  mba ny any aoriana no tsy ho zaka

asa ianao raha hino ahy

fa mafy koa raha mafy fa ireo hava-tiana no tonga  mpandatsa

ny hambo-po anananao tsy  noho ny nindramana ny nataonao kosa

ny maha ianao anao no ataovy miavosa

kanefa na dia izany  aza adinonao kosa

milohaloha lanitra ny tena ka tsarovy  fa indray andro any

mbola mety ho mba ho lena sy ho potraka koa  raha mandia ny tany .







4- Tsarovy ao an-tsaina anie !

fa ny azo @ tiana sy lalaina tsy ho azo androany mbola hierana  

mazàna ireo kabary tsy valiana izay ataony  mbà mandratra fo

hitroatra ve ny tena mba ho aiza moa?

hitady izay harena toa very zo



Tsy aleo ve miaina tsisy romoromo tamin’ny ravimbo-manga kely sy patsa

toy izay any amin’ny havana hani-pito loha  fa arahin-datsa !( in-2)

Partager asa ianao ....

Commenter asa ianao ....

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Black Jack's