4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feo miantso - Art'Rindra

Niezaka ihany aho ny tsy hiteny

Tsy hilaza ombieny ombieny

Niezaka ihany aho ny hanampim-bava

Fa tsy tanty intsony k’aleo milaza

   Feom-basy lava miady

   Toa kotaba tsy misy fetra

   Mosarena koa ny antsika

   Feno aretina, tsy tantiny



Ref: injay lay feo fa miantso anao

        hoe vonjeo fa mitalaho

        Injay lay feo fa miantso anao



Fa any amin’ny hafa ve ny harena

Izay manao tsindry hazolena

Nefa samy natera-dray sy reny

o o o aleo ihany miteny

   Feon-tafondro mafy

   Daroka vodi-bady

   Feon-jaza miafy

   Tsisy ray intsony, mijaly



Ref:injay lay feo fa miantso anao

       hoe vonjeo fa mitalao

       injay lay feo fa miantso anao,

      

     injay lay feo fa miantso anao,

     miantso anao hoe vonjeo fa mitalaho

     mosarena mahonena,

     Toa kamboty tsisy ray sy reny.

Partager feo miantso

Commenter feo miantso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Art'Rindra