4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy ratsy - Art'Rindra

Sarotra ho ahy ary ho anao ihany koa

Ny hiaraka ho mandrakizay

Tsy mety mifoha, tsy takatry ny saina

Ilay fitia ho doria

   Ireo nofy mamy toa tsy eto an-tany

   Izaho sy ianao mifangaro

   Tontolo vao sy hafahafa

   Miraikitra an-doha tsy ho voafafa

   Fa rehefa hifoha dia mety ho rava

   Tsy hitohy intsony, voafetra ny hadalana



Ref: Tsy ho ahy ianao, izaho tsy ho anao

        Na dia maro aza ireo ditra natao

        Fa lalana tsy maintsy ho rava

        Ireo adalana, ireo vita sy natao,

        Hipetraka ho tantara, mampanembona anao

        Toa nofy sisa, ilay nofintsika



Dia samy hiondrika isika, tsy hitraka intsony

Fa hifandao, tsy ho kilalao,

Tsapanao tsara fa tsisy azo atao

Ny hoe izaho sy ianao ho vanona

   Ireo nofy mamy.........

Partager nofy ratsy

Commenter nofy ratsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Art'Rindra