4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavantsika - Art'Rindra

Fitiavana avy ao anaty

no miely ao am-po toa tsy tana

Lay endrikao feno hazavana

no manjaka ao an-tsaina, tsy mba  mety miala

Lay fitia omeko anao anjakao,

fa nataoko izy iny ho ahy sy ho anao

Feno fanahy sady lalaiko,

sitraky ny fo sy ny saiko

Raha tsy eo ianao, marary ny aiko



   Ref: Omeko anao tsisy fetra

           Omeko anao ny amiko rehetra

           Tsy horavana, tsy hovonoina fa mba hitoetra

           Omeko anao ireo fifaliana,

           Zaraiko ho antsika ireo fahoriana

           F’ianao tsy hamoy, tsy hanadino ny efa vita



Fitiavana tsy noterena,

Fa sitrapo, tsy hay fefena

Raha tsy eo ianao, toa mila tsy ho tanty

Ilay vetsom-po ho anao mandra-maty

Ilay fitia omeko anao ..........

    

Partager fitiavantsika

Commenter fitiavantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Art'Rindra