4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hetraketra-pitia - Jean d' aps

Herinandro tsy hisarahanay

dia nanoratra ho ahy izay malalako izay

tongava ianao hoy izy eny amin’ ilay toerana

ilay toerana iray falehantsika

fa misy resaka tiako hambara aminao

amin’io fotoanantsika io

eo koa no hifanaovantsika fotoana farany

sy hifampitsofantsika rano

      ref:

      

mangina hoy aho zany  havako zany

       mangina hoy aho fa aza mitomany

       zany angamba hoy aho no efa lahatra

       matoa tsy ho anjarako ianao

       na dia misy aza izao fisarahantsika izao

       ny fihavanana anie sao hadinonao



Izao no hafatra tiako ho ambara aminao

mba tsarotsarovy ihany aho fa sao hadinonao

satria na misy aza izao fisarahantsika izao

tsy avy tamiko anie izany na dia avy taminao

fa sompatra tokoa mantsy ireo olona tsy tia

ilay fitiavantsika roa hatramin’ izay dia ho rava ho doria

na mamy amintsika aza ny mba hiaraka

nosomparan’ireo olona tsy tia ka tsy maintsy misaraka

    ref:.........

nanohitra ihany izahay sy mba niady mafy

dia naleonay nandefitra fa efa tsy ho tanty

tsofiko rano ianao hoy izy mba hahita izay ho soloko

niteny taminao koa anie aho dia toraky izany

teo am-panaovana ny veloma an!an!

dia nisentosento izy ka nitomany

raha mba nampangina azy tamin’izany aho

dia indrisy koa fa nirotsaka ny ranomasoko ;

hoe



      ref:........

     veloma hoy aho ianao re tiana an!

     veloma hoy aho ka masina

                

                    











iarys &  beby landy  nirina



nb: misaotra t@ zay rehetra vitanao rahavako ary ho ataoko fahatsiarovana anao io tononkira io ;ary tsy hanadino anao aho





  

Partager hetraketra-pitia

Commenter hetraketra-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jean d' aps