4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Talaky mandeha - Henri ratsimbazafy

Sambatsambatra ery aho mijery,
ilay zanako kely indrindra,
fa vao afa-mijoro irery
dia miezaka indray mba hamindra.
Vao mandingana iray dia miahotra
maka vahana, miaomana tsara,
ka mitsiky no sady matahotra
mila hery mba tsy hitsirara.

Sempotsempotra misefosefo,
efa vizana mibakabaka,
'zato ranjo e! dia malefolefo
toa hilefitra fa tsy ahazaka !
miboredika, mibadabada,
azy eo dia mangata-maso,
moa va re mila vonjy amin'i Dada
sa miantso manao hoe andraso:

       «Raiso ny tanako
       -ndeha ho tantanako
         avia 'zany zanako
Talaky mandeha 'zany havako izany
aza matahotra, izato eto ihany.
         Raiso ny tanako
         ndeha ho tantanako
         avia zany zanako
Talaky mandeha 'zany sombiniaikao
malakilaky fa aza mijaiko.»

Partager talaky mandeha

Commenter talaky mandeha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite