4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirako - Ramaroson Wilson



N’inon’inona ho androko

Na finaritra aho na ory

Na ho maty ao ny masoandroko

Ny hirahirahirako, ny hirako tsy hiato akory



Angamba aza ho alàna amiko

Ny mety ho ahy rehetra rehetra

Ny tiako ny ahy koa: ny taniko,

Ny hirahirako tsy maintsy hitoetra



Tsy to angamba izay kinasa

Ny fahatanorana ho lasa

Ny fahanterana: manjokaiky

Ny fahafatesana: manakaiky



Ny sakaiza mety handao

Hihira aho, lazaiko anao

Ny sakaiza mety handao

Hihira aho, lazaiko anao











Feony: Ramaroson Wilson

Tonony: Dox

Mihira: Tarika Ramaroson Wilson

Partager ny hirako

Commenter ny hirako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramaroson Wilson