4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mihazohazo - Ramaroson Wilson

( duo lahy sy vavy )



Ny mifankatia, tsy mivady

Dia mandany andro eo am-bavahady

Tsy miditra, tsy mivoaka

Kanefa dia indro miseho vahoaka

Tsy an-tany, tsy am-parafara

Kanefa dia roa mifandany zara

Tsy an-tany, tsy am-parafara

Kanefa mifandany zara



                 ( miverina in-2)







          Ny miombona tsy afa-miaraka

          Dia isan’ny tafasaraka

          Tsy ory, tsy faly

          Fa olona sary

          Mifanaitra fa tsy mifoha

          Mitady aretin’an-doha

          Tsy eto, tsy any

          Tsy ambony, tsy ambany

          Tsy eto, tsy any

          Tsy ambony, tsy ambany

          Tsy an-tany, tsy am-parafara

          Kanefa mifandany zara



                 ( miverina in-2)




Partager mihazohazo

Commenter mihazohazo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramaroson Wilson