4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Siokan'ny manina - Ramaroson Wilson



Lahy o! Siokan’ny manina

Roy e! Siokan’ny manina

  

  Irery ami-toera-mangina

  Tsy misy izay mba iresahana

  Ny vetson’ny fo no tsindriany

  Sioka no feo iarahany

  

  Tsy fantany akory izay mety

  Mahatonga ity sioka tsy fidiny

  Fa tampoka teo, teo vetivety

  Dia lasa tsy tana tsy fidiny



Lahy o! Siokan’ny manina

Roy e! Siokan’ny manina

  

  Angamba izay mahatsikaritra

  Mihevitra azy ho adala

  Kanefa diniho maharitra

  Fa manina ny olo-malala



  Ny hira niaraha-nikalo

  No nahatonga azy hahatsiahy

  Ka taitra ny olo-, ny olo-nandalo

  Nahita azy very fanahy



Lahy o! Siokan’ny manina

Roy e! Siokan’ny manina

  

        Ny fony ao anaty izay ditsoka

        Kosehin’ny hiran’ny manga

        Ny vetson’ny sioka miritsoka

        No toy ny mameno ny banga



        Mijery izy fa tsy mahita

        Izay tiany ho fantarina tsy hay

        Raha tsy ny sioka no hita

        Tsy nety nimpody ny sainy



Lahy o! Siokan’ny manina

Roy e! Siokan’ny manina

  

Partager siokan'ny manina

Commenter siokan'ny manina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramaroson Wilson