4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Angamba - Ramaroson Wilson

Angamba hifaliako ny volana mitranga

An-kabakaba-manga,

Kanefa mbola tiako ny masonao mijery,

Mibanjina ahy irery,

Milaza ny fitia, manganohano ery,

Milaza ny fitia, manganohano ery,

Manganohano ery,

Angamba hafa kely ny tsiron-drano an’ala,

Madio mangalahala,

Fa mamy toa tantely ‘reo molotrao manify,

Mitsiky mena fify,

Manoroko ahy mangina,

Mandroatra fifaliana,

Manoroko ahy mangina,

Mandroatra fifaliana,

Angamba koa ho fatratra

Ny kalon’ny antsiva manako takariva,

Fa mbola tonga lafatra

Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,

Ny hiranao ngononina miantsa fisamonina,

Miantsa fisamonina,

Mitohoka ny sofiko ka zary nofinofiko,

Ka zary nofinofiko.

Izao tontolo izao, mirindra sy voalanto,

Fatratra sy kanto,

Anefa raha ianao, nefa raha ianao

Monja no tsy ao,

Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina

Fa tany karankaina,

Izao tontolo izao ho tsoriko ry aina

Fa tany karankaina.


Partager angamba

Commenter angamba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramaroson Wilson