4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asakasakareo - Ramaroson Wilson

( hira rodobe )



Dobodoboka fomban’amponga

Tabataban’ny maro kilonga

Asakasakareo tsy mba tonga.



Horakoraka anjaran’akanga

Kalokalo fanaom-boromanga

Asakasakareo tsy mitranga



               Doladola ny fomban’ny hazo

               Siontsioka fanaon-tsarivazo

               Asakasakareo manam-bazo



               Jononokan’ny erika an’ala

               Patrapatrak’ilay patrak’ala

               Fendrofendro fa lavi-malala

               Fendrofendro fa lavi-malala



Dinidinika sy salasala

Hafatrafatra anao sombinaina

Ontsaontsa fa mani-maraina



Erinerin’Ankaratra ihany

Olonolon’Andringitra izany

Ka asakasakareo, asakasakareo any ho any

Sasasasan’ny rano ariana

Olikolika be fiviliana

Asakasakareo saingy tiana.



            ( miverina in-2 ny hira manontolo )

        

Partager asakasakareo

Commenter asakasakareo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ramaroson Wilson