4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry zareo!!! - Lolo sy ny Tariny

Dia ao ilay lahimatoa

Ilay tovolahy be taona

Hatry ny taloha

Tsy mody raha tsy noana

Fa mamo toaka lava

Tsy manana anton’asa

Fa velombelom-poana



  Ny alahady any ampiangonana

  Izy no matory

  Fa drodroky ny toakany

  Omaly Asabotsy



Fa ry zareo mantsy

Ry zareo!Ry zareo!

Na mamotoaka lava

Mbola mivavaka



  Dia ao ilay lahiaivo

  Izay mbola mihevitra azy

  Ho tamin’ny andron’ny andevo

  Mandaka mpiasa vavy



Nahazo vady andrina

Dia indro fa narina

Lay fahatsoram-po



  Milaza azy ho dada

  Raha hoe hitady vola

  Kanefa hatramin’izao

  Mbola manefa trosa



Fa ry zareo mantsy

Ry zareo!Ry zareo!

Tsy mba manaiky resy

Ka dia mamita-tena



  Dia ao ny reniny

  Mangina toy ny moana

  Fa raha vao mba miteny

  Miteniteny foana



Ny vadiny efa maty

Nolazainy hoe tany an’ady

Nefa tsy niady akory



  Dia ao ilay renibe

  Izay hiandrasan-kofaty

  Fa lazain-dry zareo

  Fa hoe mandany ny vary



Fa ry zareo mantsy

Ry zareo!Ry zareo!

Tsy mba misaina intsony

Fa dia mitsitsy foana



  Dia ao koa i Soa

  Manja toy ny masoandro

  Izay tia ahy tokoa

  Tsarovako isanandro



Matetika izahay no

Efa mandefa nofy

Fa hivady amin’izay



  Izaho manahy mafy

  Fa raha toa tsisy izany

  Dia noho ry zareo

  Noho ry zareo ihany



Fa ry zareo mantsy

Ry zareo!Ry zareo!

Milaza fa i Soa dia

Tsy voatokana ho ahy

Partager ry zareo!!!

Commenter ry zareo!!!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite