4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambalatavoahangy - Lolo sy ny tariny

Vata vy nidiny Gadana
No nanangonany fananana
Dia Zandiana rovidrovitra
No nanakonany ny tavany

Mivoaka an'Ambalatavoahangy
Ka somary mena-menamenatra
Izao vao hiatrika masoandro
Hiady ho isan'ny olo-marina

REF:

Velombeloma any Ambalatavoahangy
Ka sanatriavina indray ny hamangy
Nanakoako re teny ankodahoda re
Taminy iran'ny olo-tokana nandalo teny

   Fariparitany t@ dia-tongony
   Izany tanimena vakivaky
   Ny ila-betsileo

Mbola ho lavitra ny làlany
Manara-drindrina izy raha mivoaka
Ny vahoaka ao an-tanànany
Mandositra azy toy ny boka

   Mivoaka an'analatanosy
   Na mankany (aleo kobay)2
   Noteteziny ny Nosy
   Any ho any hono tsisy mahay

REF:

Partager ambalatavoahangy

Commenter ambalatavoahangy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite