4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Baomijijy - Lolo sy ny Tariny

BAOMIJIJY

Fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
Tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manaenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany

hakandasitra lery no nifanekena
fa nahoana ny any ialahy no tena izy?
Ireo kanety nobakoko ny maraina,
Lasa, lany, tapitra tsy nisy

Ref : Angamba angamba angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an izany!
Ilahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy akaiky aho bozaka mandady.

Raha vao lasa I Baomijijy ka nitondra zinga kely
Ka mivadika atsy ambadiky ny trano
Ialahy natao tsangory, ka afaka nijery
Izaho avy ato ambany maminany.

Fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
Tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manaenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany

Partager baomijijy

Commenter baomijijy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite