4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Benoro - Lolo sy ny tariny

1-)
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity.(bis)
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro, aiz’i Benoro o!
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro mba handihy
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity.   

Lasan’ny sambo any izy lasa anie, roa volana izay.(bis)
Lasa nanjono any an-tsisin’i Afirika, any Zimbabwe, Zimbabwe o!
lasa nandeha nankany an-tsisin’i Afrika, efa tonga tany Zimbabwe
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity   

Ny fampielezam-peo dia efa nanambara fa misy sikilaonina
Nanorana ny andro tamin’izay
Fa i Benoro nitondra ny lakany dia mbola lasa foana
Nandia e, nandia e, nentin’ny onja nisavoana.


2-)

Hangirifiry anie ny tapaka e, amin’ity taona ity.(bis)
Mila tambitamby ny zaza foraina, aiza i Benoro,aiza i Benoro o!
Mila tambitamby ny zaza foraina aiza i Benoro mba handihy.
Sarotim-pery anie ny tapaka e, amin’ity taona ity.   

Tsy mila dokotera ny didipotra fa vitan’i Benoro
Ny manamaivana marary
Feon’angorodao miampy kirintsana sy tsinjak’i Benoro
Hadino o, hadino o, ny any ambany foitra.


3-)

Mangasiasy anie ny zanaka e, sy ny vadiny aty.(bis)
Sasa-mitazana fara-vodilanitra, aiza i Benoro, aiza i Benoro o
Sasa-mitazana fara-vodilanitra, aiza i Benoro mba hadihy.
Mangasiasy anie ny zanaka e, sy ny vadiny aty   

Fa ny onja, ny onjan-dranomasina midoboka masiaka e
Toa fanambara ratsy
Fa i Benoro angamba rankizy tsy hiverina amintsika
Fa very, fa very! Any antsisin’i Afrika
Mampalahelo anie ny sambatra e amin’ity taona ity.

Partager benoro

Commenter benoro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite