4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bao mijijy - LOLO sy ny TARINY

Bao Mijijy

Fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
Tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany

hakandasitra lery no nifanekena
fa nahoana ny any ialahy no tena izy?
Ireo kanety nobakoko ny maraina,
Lasa, lany, tapitra tsy nisy

Angamba angamba angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an izany!
Ialahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy akaiky aho bozaka mandady.


Hala-botry sy ny ditra ary niampy vangabao
izany lesy no niarahana natao
nahoana ialahy no tsy voakitikitika
izaho anefa feno takom-pery

Raha vao lasa I Bao Mijijy ka nitondra zinga kely
Ka mivadika atsy ambadiky ny trano
Ialahy no atao atsangory, ka afaka nijery
Izaho avy ato ambany maminany.

Angamba angamba angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an izany!
Ialahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy akaiky aho bozaka mandady.


Toy ny aponga tsara rindra, niaraka nibodoboka
ny fotsika t@ Bao Mijijy,
ny azy ny safidy vita hatrany ampiandohana;
izaho voaozona hitanjiro

Ny valalatsika tsy mba hoe nifanapahana
fa lasan'ialahy manontolo,
aleo ary aho hametraka veloma, any ankoatra indray angamba mihaona

Mazava, mazava, ny lalana ho diaviko,
tsy misy tsindry aloka intsony,
mazava, mazava ny lalana hoadiaviko,
tarafin'ny masoandro avy any ambony

Fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
Tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manaenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany

Partager bao mijijy

Commenter bao mijijy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LOLO sy ny TARINY

Suite