4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry voahirana Ô ! - Henri ratsimbazafy

Iriko loatra ny mba hioty anao
Handravaka ilay tokantranoko ao,
Nefa dia noraisinao ho vazivazy,
Tsyamba   tianao ny voatery ao anaty vazy

Satrinao foana hiliba sy hilalao
afoavoan'ireo manindrahindra anao ;
mazava fa satrinao hitoetra irery
ho voadokadoka ary koa ho voajerijery

                     Ry Voahirana ô !
                     voninkazo dia
                     Ry Voahirana ô !
                     mpilalao fitia
          Mitandrema fa sao ianao dia sondrianana
          mankafy raha safosafoin'ny riana

                     Isan'andro izao,
                     ireo voro-mandalo
                     dia midera anao
                     amin-kira sy kalo,
            'reo zozoro sy ny herana koa
            dia mitsaoka sy miondrika aminao avokoa.

                     Sao ianao
                     mino ireo dokadoka,
                     Sao ianao
                     maka ireo lokaloka,
            sao ianao dia manaiky avy hatrany
            ireo toky nomena an-tendron'ny molotra ihany !

                     Ry Voahirana   ô !
                     hatsarao ny saina
                     manahirana
                     anie ny miaina

          Ary ianao koa anie voninkazo
          any andro any volana dia tsy maintsy halazo.

Partager ry voahirana Ô !

Commenter ry voahirana Ô !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite