4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rotsirotsy - Henri ratsimbazafy

Feon-kira anakiray
no tiako hokaloina,
feon-kira fahizay
nefa tsy haiko adinoina

Raha sendra ka tomany,
fahiny izahay,
izany hira izany
no kaloin'i Neninay

Raha sendra alon-drano
ny sambokelintsika
ary manganohano
ny masonao baliaka,

avia ampofoiko,
fohay ny tomany
fa hira no kaloiko
ho anao irery ihany

Ref.

Mangina, mangina
izany havako izany,
mangina, mangina
ka aza tomany.
Ry vorona irony
ento ity ho any,
rahefa mitony
avereno ihany

Partager rotsirotsy

Commenter rotsirotsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite