4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ritsoky ny lasa - Henri ratsimbazafy

(Ho fahatsiarovana ireo zoky, zandry, ray aman-dreny mpanakanto nialoha
lalana)


Taona maro no efa lasana
any ambadiky ny fasana
ilay mpandrotsirotsy antsika
tamin-kira sy mozika,
Efa matroka ny anarany,
efa adino ny tantarany,
tsy dia re mazana intsony
irony hira nokaloiny.

Injany feon-kalo
siahin'ny mpandalo,
manetsika ny fony
ka indro fa vetsoiny.
Tsy mba fantany akory
f'ilay namorona izany
efa renoky ny tory
lasa vovoka aman-tany,

kanefa izao ny asany
mitoetra fa tsy lasany
miraki-pahatsiarovana
tsy laitram-pahalovana,

Partager ritsoky ny lasa

Commenter ritsoky ny lasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite