4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rafaraniaina - Lolo sy ny Tariny

Rahovina hono ry voro-mandalo

No tonga eto i Rafaraniaina

Lasana ange ny volana adalo

Ka andro maro no mbola hisaina



  Hoviana hono no nandalo teto

  Lay hazo monin’i Fara nafohy

  Tany nitsahiny mbola misento

  Ny ahy nafolany tsy mety hitohy



(Ezaka dia ezaka iny làlana iny)bis



  Fa hono hoy aho ry rano mikorina

  Nanaraka anao ve Rafaraniaina

  Lazao azy fa tonga mangina

  Ilay olo-nilaozany toa very saina



Fa hono hoy aho ray Tatamo amparihy

Mihery ato ve Rafaranafohy

Izy hono ange ka mahasara-dia

Fa sanatria tsy olo-manjohy



(Ezaka dia ezaka iny làlana iny)bis





      (RAFARANIAINA tsy hilaza fahoavy

      RAFARA nafohy tsy nihery tsy akory

      Fa ny fitia no mbola malady

      Tsy fantatro ho faty na mbola matory)bis

Partager rafaraniaina

Commenter rafaraniaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite