4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampoka fitia - Meizah

alina iray tsy nahitana tory
ny bitsikao injay nanala sorisory
ny masonao nijery tanaty maizina
ny ratsanao namikotra hay
ny tananao indray nitondra safosafo
nanaitra ilay fitia tanaty torimaso
ny fonao mangina tsisy feo
namoha ny hetaheta liana nitoreo

ianao ilay namboraka fitia
lafatra aho sady nankafy
ny fonao niantso hoe avia

ampoka fitia
tsy hitady hafa intsony ampy ahy ianao
tsy mila fitia hafa tsy ny avy any aminao
tsy ùaheno tsiro intsony raha tsy ho anao
ampoka fitia

tsy mankafia mihitsy rehefa hoe tsy ianao
tsy hisentosento intsony raha tsy ho anao
hampionon tena irery raha ilaozanao
ampoka fitia

tambitamby foana tsisy tabataba
isika nifandimby hiantso hoe malala
na alina na atoandro tsy nandao ianao
na ngidy na mamy tsy hiala anilanao

sambatra aho androanay rahampitso baraingo
ianao no efa eo hantenaiko hanaingo
efa natomboka io fa ho doria
enga anie hitoetra ilay fitia

ianao ilay namboraka fitia
lafatra aho sady nankafy
ny fonao niantso hoe avia
ampoka fitia

ref

Partager ampoka fitia

Commenter ampoka fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Meizah