4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faniriko atrizay - Meizah

Impiry moa izaho mandalo ankaikinareo
Miiondrikondrika de mody mihodina avy eo
Mangalatra mijery fa tsy te hiseho
Matahotra ny hijanona nefa izaho isan'andro mandalo eo
Voahara-maso daolo izay ataonareo roa
Miseo tsy taitra mierikerika etsy sy eroa
Ny foko anefa feno, efa te aheno izay mba antsonao na dia arahaba ihany aloha

Atrizay aho nitia mangina ah
Te hanambara ilay fanirina
Tsy aiko anefa oe rahovina eh
F'izay ilay faniriako hatrizay e
Hanome ilay hafatra iray e
Fa ny hilaza izany tsy hay e
Ka aleo ho any mandrakizay e

F'izay ilay faniriako hatrizay e
Te-hizara ilay teny iray e
Fa ny hilaza izany tsy hay e
Ka aleo ho any mandrakizay e
Izay ilay faniriako hatrizay e!

Tsy sasatra aho mitady, miova loko vaovao
Fa te-hahita anao no sady teho hitanao
Ilay topi-maso, maso te-hijery
Tsy tazanao, tsy tsapanao akory ny fisiako hatramzao
Maniry foana hatramy mba ho eo akaikinao

Te-hiteny mafy f'izy anie tsy tia anao
Tsy tazanao akory ny ao ambadika ao
F'izy tsy mila anao, hilalao anao no tiany atoa

Atrizay aho nitia mangina ah
Te hanambara ilay fanirina
Tsy aiko anefa oe rahovina eh
F'izay ilay faniriako hatrizay e
Hanome ilay hafatra iray e
Fa ny hilaza izany tsy hay e
Ka aleo ho any mandrakizay e

F'izay ilay faniriako hatrizay e
Te-hizara ilay teny iray e
Fa ny hilaza izany tsy hay e
Ka aleo ho any mandrakizay e
Izay ilay faniriako hatrizay e!

Hey hey de zay 'lay faniriko atrizay

Partager faniriko atrizay

Commenter faniriko atrizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Meizah